Hanaraka anao, toa ny aloka Ka tsy hifandao raha tsy andro tena maloka Fa raha mbola misy, tara-pahazavana Tsy hiala teo mihitsy aho raha toa mbola tamana(2) Tsy andriko intsony, ny andro maraina Azahoako hifoha, hamonjy anao ry aina Ka tsy hiala teo indray, raha tsy ny andro no hariva Rehefa injay ny masoandro iva dia iva (2) Izaho anie ka zaza, tsy mahasara-dreny Hanaraka anao, eny rehetra eny Ianao irery no afaka, hampitony ny tomany Raha toa ho solafaka, ianao no hanarina ahy hatrany(2) Ny vavan'ny sasany,tsy ahoako intsony Fa ny fitiavantsika no asandratro ambony Ka ny vavaka atao,dia ny mba aharitra hatrany Aharitra tokoa anie,zany fiarahtsika izany(2)