Andeha ianao ry zanako vavy F'efa io ilay fanilon'ny andronao ho avy Andeha ianao, andeha ka mahereza Ny tokan-tranonao no iriko hateza Ny masoko raha toa manganohano Tsy tomany na alahelo fa andon-tsodrano Hifarana eto ny anay ny adidy Lehibe ianao ka tompon-tsafidy Andeha ianao lasan'iny olon'iny Tsy fantam-pototra mpandalo mpivahiny Andeha ianao, ianao ilay tsy sarako Hanadino ahy, hanadino ny anarako Aza mieritreritra fahasarontam-piaro Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro Fa izahay no tany naniriana Mahararirary na tiana na tsy tiana Andeha lala o, o o andeha lala o Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony Andeha lala o, o o andeha lala o Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony Andeha ianao ry zanako vavy F'efa io ilay hameno ny andronao ho avy Andeha ianao andeha ka matokia Enga anie ka tsy ho sampona ny dia Ny reninao aza avela hangina Fa efa nisotro ny rano tsy tiana Raha mibaliaka ny fitiavanao anio Ireo nahary mba tsiditsidiho Omeko anao, ho anao ry tovolahy Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny Nefa mba amelao fitia potipotiny Izahay tsy mitady vali-babena Fa ny fitiavany no aza avela hihena Fa raha ts'izany dia hahatsiaro ho kamboty Toy ny mpamboly tsy afa-mioty Andeha lala o, o o andeha lala o Voatery hangina na tsy mahafoy Andeha lala o, o o andeha lala o Raha misy mahaory izany 'zahay no antsoy