Tiako, tiako ary tena faniriako raha ialahy no mba namana, Mety handray ireto, Ireto tanana Indrisy, indrisy, Toa mitady ny tsy misy Fa ialahy, Rafahafahana Toa mandà tsy mety, Mety ho namana... Teto aho dia nipitrapitra, Sy nitsiriritra, Ny tsy natao ho ahy Nefa fitia tsy mety ritra, Mikiry sy maditra, Natokako an’ialahy..... Indraindray, indraindray, Variana aho mijery an’ialahy Manantona, ireo zay tsy mitady, Fa miavona anay, Zay mandadilady.... Inona, inona, No anaovan’ialahy ahy tsinontsinona, Manavaka trano hidirana, Sa ve ialahy mifidy, Fihodirana....... Zahay ety, Mijinja ny mafaitra, Mitaty ny tsy laitra, Tsy afaka manoatra Iandrasana, hitondra takaitra, Zay ngamba ialahy vao taitra, Sao dia mba tara loatra.... Potika, potika, Fo sy saina rotidrotika, Miantomboka ny faharavana Ka eo ilay ry figadrana.. Foiko, foiko, Raha ny foko no henoiko Hanome ny Aiko, Mba ho sorona, Ka ny fanahiko hitovy Amin’ny vorona...... Aoka aho, Mba ho tompon-tsafidy, Mba tsy havela hihidy, Ty vavako miteny Ampy ho ahy izay, Nitondra mangidy, Tsy tiako ho tadidy, Reny rehetra ireny... F’izaho sy ialahy, Hamafy hafaliana, Hanome fanampiana, Ny mitovy amiko, Raha eo ialahy, Hiteny ireo nangiana FAHAFAHANA no iriana, Ho an’ny Taniko