AWA

Somambisamby (Live) (Live)

Track byMahaleo

0
0
  • 2013.05.12
  • 2:58
AWAで聴く

歌詞

Somambisamby re ry lahy e , toy ny andro diavolana Ka ontsaontsa ny fanahy, fa maro ny olana Manembona ny any aminay , tanàna tsy foina Mahatsiaro ireo havanay, tsy hay hadinoina , mba jerijereo Mba jerijereo ny tananàntsika , aza avela hangina , aza avela hangatsiaka Fa mbola ho tonga indray androany , hitondra ny soa , hitondra ny mamy Hirongo tantely ,hirongo vilany Toa mateti-pihavy kanefa ilay ora-panala Ka lasa ny saina miantefa hamangy ny malala Ka lavitra anefa ny any ,toa saro-banjinina Ny sento no hampitaina any , veloma masìna ô Veloma masìna ,veloma ry tiana Alao ny alahelo handao ny akiviana Fa mbola ho tonga indray androany Hitondra ny soa , hitondra ny mamy Hamafa tomany ,hamafa vinany Na dia maro aza ny zava-midona, aza atao mampifezaka Aza kivy na very finoana ,mandehana manezaka Ao anatin' ny ngidy ny mamy, ka saro-takarina Misy ny ambony ,misy ny ambany , izay no marina fa ny ady tsy vita Ny ady tsy vita fa mbola hitohy Ny mety tafita ,raha mamohifohy Ka raiso ny ampinga, raiso ny hery Handresy ireo kinga , tsy maneritery Handrava fanànana, hamokatra fery

このページをシェア

Mahaleoの人気曲

Mahaleoのアルバム

Mahaleo
の他の曲も聴いてみよう
AWAで他の曲を聴く
はじめての方限定
1か月無料トライアル実施中!
登録なしですぐに聴ける
アプリでもっと快適に音楽を楽しもう
ダウンロード
フル再生
時間制限なし