Jamba aho eny jamba Nilaozana hazavana Ao anaty haizim-pito aho Haizina tsy azo ialana Loko tokana ihany no mba navela ho ahy Dia ny maintimainty izany tsy misy ny ankoatr’izany Nefa rahavako aminao no hiara-dia Fa navelanao ho tazako ny lokon’ny fitia (*2) Moana aho eny moana Tsy mba navela hiteny Raha te hiresaka aminao Ny tanana no ahetsiketsik’eny Soa fa nisy tanana aza Azo asoloko ny vavako Ahafahako milaza fa hanao ny fitiavako Tsiky eny tsiky no nasetrinao izany Tsy navelanao ho kivy aho Raha mbola anilanao ihany (*2) Malemy aho eny malemy aho Tsy afaka hijoro akory Enta mavesatra ho anao ahatonga sorisory Fiantrana fotsiny ihany No nahatonga anao ho eo F’izay any am-ponao any Mandratra ka tsy tianao aseho Nofihininao ny tanako Ka hoy ianao hoe: MANGINA Ka ny andro sisa hianako Atokako ho anao ry tiana Nofihininao mafy ny tanako Ny ranomaso nanenika ny tavako Dia ranomasom-pifaliana N’inona voina mety hitranga Tsy zanaky ny hafa ianao Ny voaary tsy tia apanga Hisy toetra eo anilanao Ny jamba hisy hitantana, ny moana hisy handre Ny tsy salama vatana hisy ampianatra handeha